JIS - SNS 2026 ANDRO FAHATELO AMIN'NY FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FANATANJAHANTENA

ANTANANARIVO - PARVIS ANALAKELY - BAREA

Nanotrona sy nandray anjara mavitrika tamin'ny fanamarihana ny hetsika ara-panatanjahantena amin'izao andro fahatelonn'ny fankalazana izao, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira sy ny tompon'andraikitra avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.

Izao fanotronana izao, dia manaporofo fa miara- dalana tanteraka ny fahasalamana sy ny fanatanjahantena, satria ny fampiasam-batana dia efa fisorohana sahady amin'ny karazan'aretina arak'ilay teny filamatra hoe: "Ny fanatanjahantena: manangana tetezana, mandrava ny sakana".

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 26-avril-2026