FANATSARANA NY KALITAON’NY TONTOLON’ASA ARA-PAHASALAMANA MANERANA NY NOSY

Efa voalaza matetika fa ataon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka vaindohan-draharaha ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny rehetra. Tsy vitan’ny asa ambony latabatra izany, fa tsy maintsy midina eny an-toerana mijery ireo lesoka mila harenina sy manamafy izay efa tsara.

Ny faladia roa, ny sampanana fito, misandrahaka manerana ny Nosy ireo sampan-draharaha misahana ny fahasalamana. Tsy ho vitan’olona tokana izany, satria ny tao-trano tsy efan’ny irery. Noho izany dia mifandrimbona miaraka amin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny Minisitera mitety ireo toeram-pitsaboana isan-tokony.

Anisan’izany i Dr. RAKOTONIASY Jean Raymond, DSSB, izay nitsidika ny distrikan’i Diégo, Ambilobe, Nosy Be ary Ambanja. Nandritra izany no nahitana, ohatra, fa tsy mandeha ny jiron’ny CSB ao Diégo, ka handefasana panneau solaire tsy ho ela izany ho vahaolana haingana.

 

Fantatra ihany koa fa mavitrika sy mahay tokoa ireo Agents Communautaires amin’ny fanatanterahana ny asany. Ny olana sedrain’izy ireo anefa dia ny tsy fahampian’ny fanafody ampiasaina. Efa eo am-pikarakaran’ny Ministera ankehitriny anefa izany ka tsy ho ela dia hivaha ihany koa io olana io

Ny Fitaleavana ny Serasera, sary : DSSB 28-avril-2026