MITSINJO NY ZOKIOLONA NY MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Sanatria amin’ny Malagasy ny mitsipa-doha lakana nitàna.

Zava-dehibe tokoa ny loharano nipoirana, ka izany indrindra no mahatonga ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hanentana ireo rafitra manerana an’i Madagasikara mba hijery manokana ny fahasalaman’ny Ray aman-dreny, indrindra fa ny zokiolona.

Ao anatin’izany ezaka izany dia nisy ny hetsika fanarahamaso sy fizahana ny fahasalaman’ireo zokiolona izay notanterahina tao amin’ny CHRD Maroantsetra.

Tontosa soa aman-tsara izany, ka maro ireo zokiolona nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana.

Nandritra ny fizahana dia nahitana tranga samihafa toy ny :
diabeta
tosidrà avo
fanaintainana teo amin’ny vavony
aretin’ny taovam-pisefoana
aretin’andoha
ary aretina hafa

Natao ihany koa ny :
fandrefesana tosidrà
fitsapana siramamy anaty ra

 

Ity hetsika ity dia manamarika ny finiavan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hanakaiky hatrany ny vahoaka sy hanatsara ny fikarakarana ny fahasalaman’ny rehetra, indrindra ireo zokiolona izay mila fikarakarana manokana.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera.sary : CHRD MAROANTSETRA 29-avril-2026