TONGA MAMANGY NY FARITRA SAVA RAMATOA MINISITRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Tonga mamangy ny Faritra SAVA Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, izay anisan’ireo delegasiona maro tarihin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Kôlonely RANDRIANIRINA Michaël Mivady.
Tanteraka arak’izany ny fitokanana ny “Université de la SAVA” tao amin’ny Distrikan’i Antalaha.
Ary nandritra izany ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny vahoaka toy ny : fitiliana ny VIH/SIDA sy fanaovana vaksiny MPOX.
Mbola mitohy rahampitso any amin’ny Distrikan’i Sambava moa ny hetsika maro eo ambany fitarihin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana, anisan’izany ny fitokanana Lapan’ny fitsarana “Tribunal” sy fametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo “Chefs de juridiction” : “Président”, “Procureur” ary “Greffiers en Chef”.
Hisy ihany koa ny fanolorana fitaovana ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, indrindra ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao SAVA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. sary: PRRM - DRSP SAVA - COMM 30-avril-2026