MIHAINO MIVANTANA NY MPIARA-MIASA NY MINISITRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

FARITRA SAVA - CHRD ANTALAHA

Tao anatin’ny fandalovan-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao Antalaha ihany dia nanatanteraka fihaonana mivantana tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao anatin’ny Faritra SAVA Izy.

Anisan’ny vina sy tanjona ary fomba fiasa napetran-dRamatoa Minisitra moa ny fihainoana mivantana ireo mpiara-miasa rehefa mivoaka any amin’ny Faritra tahaka izao, mba hanakaiky kokoa azy ireo.

Samy naneho ny hetahetany ireo mpiara-miasa isan’ambaratonga avy ao amin’ny DRSP, SDSP, CHRD ary CSB.

Ny hafatra napetrany dia ny :

 

  • Fanovana ny toe-tsaina
  • Fanovana ny fitondran-tena izay tsy mety
  • Fanamafisana ny fifankatiavana sy firaisankina eo amin’ny samy mpiara-miasa

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 29-avril-2026