HERINANDRO AFRIKANINA HO AN’NY FANAOVAM-BAKSINY 2026
Laharam-pahamehan'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara ary tafiditra ao anatin'izany ny fanaovam-baksiny.
Tao amin’ny CSB II Ambohidroa no nanatanterahana ny fanamarihana ny Herinandro Afrikanina ho an’ny Fanaovam-baksiny. Tanjon’ity hetsika ity ny hanatrarana ireo zaza mbola tsy nahazo vaksiny, mba hanatsarana ny fahasalaman’ny ankizy sy hanamafisana ny Fandaharan’Asan’ny vaksiny eto amin’ny Firenena.
Zava-dehibe ho an’ny rafitra ara-pahasalamana ny fanamafisana ny vaksiny, izay fototra iorenan’ny fahasalaman’ny taranaka ho avy.
Nisolontena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira nandritra ny fankalazana, Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana, Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré notron’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka ary ny mpiasan'ny fahasalamana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 30-avril-2026