FANATSARANA NY RAFI-PAHASALAMANA AO AMIN’NY FARITRA SAVA
Ho fanamafisana sy fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana atolotra ny vahoaka, dia nanolotra fitaovana ho an’ireo hopitaly ao amin’ny Faritra SAVA ny Fitondram-panjakana, izay Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Kôlonely RANDRIANIRINA Michaël no nanome voninahitra ny fotoana, Nanotrona izany Ramatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira sy ireo tompon'andraikitra ambony isan-tsokajiny.
Ny tanjona dia ny hanome tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra, tsy an-kanavaka. Izany indrindra no anton’ity fanomezana ity, izay ahitana: « oxygène », « concentrateurs d’oxygène”, fandriana ary ireo kojakoja ara-pahasalamana hafa ilaina amin’ny fitsaboana sy fandraisana marary eny anivon’ny Hôpitalim-panjakana.
Nanolotra ny teny fisaorana hatrany an'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana, Ramatoa Minisitra, amin'izao famatsiana fitaovana medikaly maro izao sy mankasitraka ny ezaka ataon'ny Fanjakana ny amin'ny fanohanana hatrany ny fahasalamam-bahoaka.
Ireo fitaovana ireo dia hanampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fandraisana sy fitsaboana ny marary, ary hanamafy ny fahafahan’ny toeram-pitsaboana manome tolotra maharitra sy tsara kalitao ho an’ny vahoaka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP SAVA - COMM 30-mai-2026