FANENTANANA SY FANAOVAM-BAKISINY MPOX
Alakamisy 30 aprily 2026 , Antananarivo
Mitohy hatrany ny fanentanana momban'ny fanaovam-bakisiny hiadiana amin’ny MPOX, izay nokarakarain’ny ASOS niaraka tamin’ny "SDSP" Antananarivo Renivohitra.
Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny avy ao amin'ny mpiara-miombon'antoka "ONG ASOS" sy ireo Mpanentana ara-pahasalamana (Agents Communautaires) mpiara-miasa aminy, izay niara-nihetsika tamin’ny fanentanana ny vahoaka ny amin'ny maha zava-dehibe ny fanaovana vaksiny sy ny fiarovana amin’ity valanaretina ity.
Nandrisika tamin'ny fanamafisana ny hafatra ihany koa ireo mpanao basket "N1A Dame" avy amin’ny "MB2ALL", izay mpilatsaka an-tsitrapo "volontaires" ao amin’ny ONG ASOS, ka nandray anjara tamin’ny fanentanana amin’ny ady amin’ny MPOX.
Ity hetsika ity dia natao ihany koa ho fanamarihana ny "Semaine Africaine de la Vaccination", manasongadina ny lanjan’ny vaksiny amin’ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka. Nanotrona sy nanome voninahitra izany hetsika izany ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga sy ny "Médecin Inspecteur" ny SDSP Antananarivo Renivohitra.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 30-avril-2026