FIARAHA-MIENTAN’NY GOVERMAMANTA HO AN’NY TONTOLO MILAMINA, ANTOKY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-mientana eo anivon’ny Governemanta ho amin’ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, dia nanatrika ny lanonam-pitokanana ny Lapan’ny Fitsarana ao amin’ny Distrikan’i Sambava, niaraka tamin’ireo manampahefana isan-tsokajiny.

Notanterahina tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlonely RANDRIANIRINA Michaël Mivady, teo anatrehan’ireo solontenan’ny fanjakana sy ny vahoaka.

 

Ankoatra ny anjara asany eo amin’ny sehatry ny fitsarana, ity fotodrafitrasa ity dia mandray anjara amin’ny fanamafisana ny tontolo iainana milamina sy voafehy, izay singa iray manan-danja amin’ny fahasalamam-bahoaka. Ny filaminana sy ny rariny dia fototra iorenan’ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana, ka manampy amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ao amin’ny Faritra SAVA.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavanan' ny Serasera. 01-mai-2026