FITOKANANANA CSB I ANKERANA

Commune Mangarano - SDSP Antsirabe II – Vakinankaratra

Fanirian’ny vahoaka efa ela teto Ankerana sy ny manodidina ny hisitraka tobim-pahasalamana akaiky sy mora idirana.

Tontosa soa aman-tsara izany ankehitriny, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny:
Commune Mangarano
Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka
Sampandraharaha ara-pahasalamana isan-tsokajiny

Ao anatin’ny fanamafisana ny politika nasionaly amin’ny fanakaikezana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka, dia notanterahina tamin’ny fomba ofisialy ny fitokanana ny CSB I Ankerana.

Ny lanonana dia notarihin’Andriamatoa Dr RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana, nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira. Nanotrona izany ireo tompon’andraikitra ara-panjakana isan-tsokajiny avy amin’ny Fokontany, ny Kaominina, ny Distrika ary ny Faritra.

Toetran’ny fotodrafitrasa:
Ny CSB I Ankerana dia ahitana:
Trano misy efitra 9
Fitaovana ara-pahasalamana feno sy maoderina
Moto fanamorana ny fivezivezena
Panneau solaire ho fiantohana herinaratra maharitra

Efa napetraka ihany koa ny mpiasan’ny fahasalamana hanome tolotra sy fitsaboana ho an’ny mponina.

Fiantraikany ho an’ny mponina:
Ity tobim-pahasalamana ity dia hisitraka mivantana ny mponina ao amin’ny Fokontany efatra, ary hanamafy ihany koa ny fahazoan’ny kaominina manodidina tolotra ara-pahasalamana akaiky sy mahomby.

 

Hafatra sy vina iombonana:
Nandritra ny lanonana dia nasongadina ny fanamafisana ny kalitaon’ny fitsaboana omena ny vahoaka, ny fiaraha-miasa eo amin’ny andrim-panjakana sy ny mponina, ary ny fitantanana maharitra sy fiarovana ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

 

01-mai-2026