MED'S EVENT XI ÉDITION : FIARAHAMIENTAN'NY MPIANATRA MPITSABO SY NY MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
CHU BEFELATANANA Alatsinainy 04 mey - Antananarivo
Amin'ity herinandro ity dia manamarika ny "MED'S EVENT XI ÉDITION", izay hetsika manan-danja sy ireharehan'ireo mpianatra "Association des Étudiants de la Faculté de Médecine d'Antananarivo". Izany dia manomboka androany 04 ka hatramin'ny 08 mey izao, ahitana hetsika maro samihafa ary mifanindran-dalana amin'ny fankalazana ny faha 65 taona niorenan'ny Oniversiten'Antananarivo.
Tonga naneho fiaraha-mientana tampoka tamin'ny diabe, androany maraina, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, izay tsy nanampo izany mihitsy ireto mpianatra ireto. Nanotrona izany ihany koa ireo tompon'andraikitra avy ao amin'ny Minisitera indrindra ireo mpampianatra eo anivon'ny "Faculté de Médecine".
Noraisin'izy ireo tamim-kafaliana sy firaisam-po ary firaisankina Ramatoa Minisitra, Izy izay Minisitra voalohany rahateo tonga niara-nientana tamin'ireo mpianatra tamin'ity hetsika diabe ity.
Raha nanolotra ny hafatra Ramatoa Minisitra dia mazava ny hafatra nampitany ho an'ireto tanora ireto : mankahery, miara-dia ary nanamafy ny fanohanany azy ireo satria izy ireo tokoa ny hoavin'ny tontolon'ny fitsaboana sy ny Fahasalamam-bahoaka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera. 04-mai-2026