FITSIDIHANA ARA-POMBA FANJANA NATAON’NY IOM TAO AMIN’NY MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA - AMBOHIDAHY

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira ny delegasiona avy ao amin'ny Organisation Internationale pour les Migrations (IOM) notarihin'Andriamatoa Roger-Charles EVINA, Chef de mission de l'Organisation Internationale pour les Migrations à Madagascar et aux Comores, androany 4 Mey 2026.

Nivoitra tamin'ny lahadinika ny fiaraha-miasa ho fanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara.

Naneho fankasitrahana azy ireo Ramatoa Minisitra, izay nanasongadina fa tombontsoa ho an'ny rehetra ny "tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja" tahaka izao.

Ireto farany kosa dia naneho hatrany ny fahavononany hiara-dalana amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, porofon'izany ny fanolorana ireo kojakoja ara-pahasalamana eo amin'ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. 04-mai-2026