FANOLORANA FITAOVANA HO FANATSARANA KALITAON'NY FAHASALAMANA

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy androany ny fampitaovana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka Organisation Internationale pour les Migrations (IOM), tarihin'Andriamatoa Roger-Charles EVINA, Chef de mission de l'Organisation Internationale pour les Migrations à Madagascar et aux Comores, ary noraisin-dRamatoa Talen'ny DVSSER Dr. RASEHENO Harinirina, izay nahitana thermomètre miisa 250 sy ireo peta-drindrina (affiche) ho entina manentana ny vahoaka amin’ny fisorohana ny aretina MPOX.

Nohamafisin’ity mpiara-miombon’antoka ity ihany koa fa hitohy hatrany ny fiaraha-miasa ho fanohanana ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny ady sy fisorohana ireo aretina maro samihafa, ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka.

 

Ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Dr. MANAGNA Monira dia maneho fankasitrahana amin'ny fiaraha-mientana asehon'ny mpiara-miombon'antoka, indrindra amin'ny ady atao amin'ny Mpox.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. 04-mai-2026