MED'S EVENT XI ÉDITION
MED'S EVENT Alatsinainy 04 mey - Ankatso
Fantantsika moa fa manamarika ny "MED'S EVENT XI ÉDITION", izay hetsika manan-danja sy ireharehan'ireo mpianatra ao amin'ny "Facultés de Médecine d'Antananarivo" isika amin'ity herinandro ity.
Anisan'ny niara-nientana tamin'ireo mpianatra tamin'ny diabe nanomboka teo Befelatanana hatrany Ankatso ihany koa Andriamatoa Talen'ny Kabinetra ao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka Christian RABESON, izay nisolo-tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tamin'ny lanom-panokafana ny hetsika "MED'S EVENT" androany.
Tsotra ny hafatra napetrak'Andriamatoa Talen'ny Kabinetra tao anatin'ny lahateniny fa ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira dia manome lanja tanteraka ny tanora, izay laharam-pahamehana napetraky ny Fanjakana Fanavaozana ihany koa, amin'ny fankaherezana sy fiaraha-dalana amin'izy ireo. Misokatra hatrany ny varavarana satria ny fifanakalozana sy fifampiresahana no natao teny filamatra amin'ny fikarom-bahaolana manoloana ireny fitakian'ny tanora ireny.
Nampatsiahy ihany koa izy fa tsy iadian-kevitra mihitsy fa ianareo mpianatra tanora ireto no fototra ifaharan'ny hoavin'ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : LUTv Madagascar 04-mai-2026