LANONANA FANOKAFANA NY FOTOAM-PIVORIANA ARA-POTOANA VOALOHANY 2026 TAO AMIN’NY ANTENIMIERAM-PIRENENA - TSIMBAZAZA
Notanterahina androany ny lanonana fanokafana ny fotoam-pivoriana voalohany ho an’ny taona 2026 eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Hetsika lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena izy ity, manamarika ny fanombohan’ny asa sy adihevitra ara-dalàna ho an’ny taona.
Tonga nanatrika izany Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta RAJOELINA Christian Ntsay, niaraka tamin’ireo Filohan’Andrim-panjakana isan-tsokajiny, toy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana. Tao ihany koa Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Monira MANAGNA, sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, izay samy naneho ny firaisankina sy ny fiaraha-miasa amin’ity andrim-panjakana ity.
Nandritra ny lanonana dia nasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanajana ny Lalàm-panorenana, ny fanamafisana ny demokrasia ary ny andraikitry ny solombavambahoakan’i Madagasikara amin’ny fanaraha-maso sy famolavolana lalàna ho tombontsoan’ny vahoaka.
Ity fanokafana androany ity dia fiandohana vaovao ho an’ny taona 2026, mampitombo ny fanoloran-tena amin’ny asa ho an’ny firenena, mitondra fanantenana ho amin’ny fandrosoana sy ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
05-mai-2026