MIARA-MIENTANA ISIKA HO AN'NY FILAMINANA ARA-TSAINA SY ARA-TSOSIALY ENY AMIN'NY TOERAM-PIASANA

Ao anatin’ny hetsika ho fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny soro-doza sy tandrim-pahasalamana dia misy ny fanentanana ireo mpiasam-panjakana eo anivon’ny fahasalamam-bahoaka, notanterahina androany talata 05 Mey 2026 tao amin’ny efitrano malalaky ny CHUSSPA Analakely.

Izany hetsika izany dia notarihin’ny Sampandraharaha misahana ny Fahasalamana eo amin’ny Sehatry ny Asa, ary notronin’ireo tompon’andraikitra sy mpiasam-panjakana avy amin’ireo fitaleavana maro eto amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Lohahevitra maromaro no nanaovana fanentanana, izay nataon’ireo solontena avy amin’ny minisitera samihafa sy ny mpiara-miombon’antoka :

Ergonomie et santé mentale positive au travail (MSANP)
Promotion d'un environnement psychosocial sain (ONG OMENA)
Prévention des violences basées sur le genre (VBG) (MPS)
Égalité des droits des personnes handicapées au milieu du travail (MPS)
Indemnisation des victimes d'accident de travail (AT) et maladies professionnelles (MP)
Mode de calcul des indemnités des AT et MP (MEF)
Congé maladie (DRSP Analamanga)

Mbola mitohy ny hetsika fanentanana :

06/05/26
Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (Salle de conférence Barea Mahamasina)

07/05/26
Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina (Salle de réunion Plan Anosy)

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DLMNT - SSTOI 05-mai-2026