FANOKAFANA OFISIALY NY MISSION MÉDICO-CHIRURGICALE
Talata 5 Mey 2026 – Andro voalohany
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny hetsika ara-pahasalamana (fitsaboana sy fandidiana) izay notontosaina tao amin’ny Hopitaly be (CHRR) Fenoarivo Atsinanana.
Andriamatoa Lehiben’ny Faritra no nanokatra izany ary notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sivily sy miaramila. Rehefa vita ny fifandimbiasam-pitenenana dia notarihin-dRamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analanjirofo, Dr. SAMISONINA Claudia Sylviane, ireo delegasiona nitsidika ireo tolotra isan-karazany.
Haharitra telo andro (5–6–7 Mey 2026) ity hetsika ara-pahasalamana ity ka hisitrahan’ny vahoaka ao amin’ny Faritra Analanjirofo ireto tolotra manaraka ireto :
Fitsaboana amin’ny ankapobeny (consultation générale)
Fandidiana (hernie, kyste, appendicite, lipome, sns.)
Fijerena maso sy fanaovana solomaso
Fitsaboana fo (cardiologie)
Fitsaboana zaza (pédiatrie)
Fitsaboana tenda, sofina, orona (ORL)
Fanalana nify sy fanamboarana solonify
Échographie
Radiographie numérique mobile
Consultation gynécologie
Maimaimpoana avokoa ny tolotra rehetra sy ny fanafody, afa-tsy ny solomaso izay aroso amin’ny sarany mirary sy takatry ny vahoaka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera
#DGFS
#DRSANALANJIROFO
Ny Fitaleavana ny Serasera 05-mai-2026