MISSION MEDICO-CHIRURGICALE
Faritra Analanjirofo – Hopitaly Be Fenerive-Est 05, 06, 07 Mey 2026
Maro lafy ireo tolotra ara-pahasalamana atolotra mandritra ity mission médico-chirurgicale ity, ka ahafahan’ny vahoaka misitraka fitsaboana sy fikarakarana ara-pahasalamana maimaimpoana amin’ny sehatra samihafa.
Mavitrika tanteraka ireo mpiasan’ny fahasalamana, mandray sy mitsabo ireo olona tonga maro be isan’andro. Na eo aza ny hamaroan’ny marary dia ataony am-pitandremana sy am-pamendrehana hatrany ny fikarakarana tsirairay.
Efa maro be ireo vahoaka nisitraka sy nahazo fitsaboana ary torohevitra ara-pahasalamana izay manampy amin’ny fanatsarana ny fahasalamany sy ny fiainany andavanandro.
Anisan’ireo tolotra atolotra ao anatin’izany ny :
fitsaboana amin’ny ankapobeny (consultation générale)
fandidiana toy ny hernie, kyste, appendicite, lipome sy ny maro hafa
fijerena maso sy fanaovana solomaso
fitsaboana fo (cardiologie)
fitsaboana zaza (pédiatrie)
fitsaboana tenda, sofina ary orona (ORL)
fanalana nify sy fanamboarana solonify
fanadihadiana ara-pitsaboana amin’ny alalan’ny échographie sy radiographie numérique mobile
consultation en gynécologie
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 06-mai-2026