FIHAONANA DIPLAOMATIKA HO FANATSARANA NY FAHASALAMANA

Alarobia 06 mey 2026

Nandray an-dRamatoa Ambasadaoron’i Égypte eto Madagasikara, SEMme Rabab Abdelhadi, i Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.

Ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara no tena lohahevitra nifampiresahana. Nifantoka tamin’ny fomba hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta ny dinika, indrindra ny amin'ny sehatry ny famatsiana fanafody ary fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny vahoaka.

Nandritra izany ihany koa no nanoloran-dRamatoa Ambasadaoro fanasana ofisialy ho an-dRamatoa Minisitra hanatrika ny fihaonamben'ireo Minisitry ny Fahasalamana aty Afrika, izay hotanterahina any Égypte amin’ny volana jona ho avy izao.

Ity fihaonana ity dia mariky ny finiavana iombonana hampiroborobo ny sehatry ny fahasalamana sy hanatsarana hatrany indrindra ny fikarakarana ny marary eto amin’ny Firenena Malagasy.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera. 06-mai-2026