FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRINENENA HO AN’NY MPAMPIVELONA

Nankalazaina ny 5 Mey 2026, tao Taolagnaro, Faritra Anôsy, ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Mpampivelona. Nentina nandritra izany ny lohahevitra hoe : “Mpampivelona iray tapitrisa fanampiny”.

Miisa 400 eo ho eo ireo Mpampivelona tonga nanatrika izany, izay avy amin’ireo Faritra 21 manerana an’i Madagasikara. Manamafy ity lohahevitra ity fa mbola tsy ampy ny isan’ny Mpampivelona eran-tany, indrindra eto Madagasikara. Noho izany dia ilaina ny fampitomboana ny isan’izy ireo sy ny fanatsarana ny tontolon’ny asany, mba hanamafisana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny Reny sy ny zaza.

Fisaorana lehibe no atolotra an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, noho ny fanohanany tamin’ny fanatontosana izao hetsika izao. Fankasitrahana manokana ihany koa no atolotra ireo tompon’andraikitra sy manampahefana teto an-toerana, izay nandray an-tanana sy nanamora ny fanatanterahana ity fihaonana ity.

Tsiahivina fa any amin'ny Faritra SAVA indray no hatao ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Mpampivelona amin'ny taona 2027.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. sary : ONSFM 06-mai-2026