FIAHIANA NY MAHA OLONA
Centre Hospitalier Universitaire de Gynécologie et Obstétrique de Befelatanana (CHU GOB) Alakamisy 7 Mey 2026
Ny fiterahana dia mitondra hafaliana fa tsy ho vesatry ny fahasahiranana
Izany indrindra no nahatonga an-dRamatoa Elisa RANDRIANIRINA, vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, hanantona akaiky ireo renim-pianakaviana vao tera-bao izay sahirana ara-pivelomana ka tsy afaka mandoa ny saram-pitsaboana sy ny fandaniana nahazo azy ireo.
Tonga nitsidika mivantana ireo reny vao tera-bao izy, nihaino ny antson’izy ireo ary nitondra fanampiana ho fanamaivanana ny adin-tsaina. Reny ihany koa ny tenany ka tsapany lalina ny sedra sy ny ahiahin’ireo vehivavy mandalo amin’ny fotoan-dehibe tahaka izao.
Ho fanohanana ireo vehivavy bevohoka sahirana tonga miteraka eny amin’ny hopitaly, dia nanolotra “kit” fandidiana miisa 250 Ramatoa vadin’ny Filoha, entina hanampiana ireo mila fitsaboana sy fandraisana an-tanana maika.
Nanjary fotoana feno fanantenana sy fampaherezana ho an’ireo tera-bao ny fahatongavany, satria tsy nisy elanelana fa tena nanatona sy nifampizara tamin’izy ireo tamim-pitiavana sy fanetren-tena izy, ka nahatonga ireo reny hahatsapa fa tsy irery manoloana ny fahasahiranana.
Ankoatra izany dia nanolotra valopy fanampiana ihany koa Ramatoa Elisa RANDRIANIRINA, ary nanararaotra nijery akaiky ireo fotodrafitrasa mbola mila fanarenana sy fanatsarana ao amin’ny hopitaly.
Niaraka taminy nandritra izany fitsidihana izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira, izay nanamafy fa izao fihetsika izao dia mampiseho fa laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fahasalaman’ny vahoaka, indrindra fa ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Nanamafy ny fitsidihana ihany koa ireo solontena avy ao amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera. 07-mai-2026