DINGANA VAOVAO AMIN’NY ADY AMIN’NY HÉPATITE ETO MADAGASIKARA
Notanterahina ny 07 Mey 2026 tao amin’ny CHUSSP Analakely ny lanonana fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana fitiliana sy fanafody hiadiana ny Hépatite (kits des tests et des médicaments essentiels pour l'hépatite virale), izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Africa CDC.
Ny Hépatite dia aretina azo amin’ny tsimokaretina iray mamely ny aty, izay maro karazana izy io : Hépatite A, B, C, D, E ary G, fa telo no tena fahita eto Madagasikara dia Hépatite A, B ary C.
Aretina misoko mangina sy miadana ary mazàna tsy ahitana soritr’aretina kanefa rehefa mihombo dia mitarika fahasarotana toy ny faharerahan’ny aty (na cirrhose) sy ny homamiadan’ny aty ary mety hiafara amin’ny fahafatesana mihitsy aza.
Eto Madagasikara dia manodidina ny 7,9 % ny taha-pitondrana ny aretina Hépatite B, miovaova araky ny Faritra anefa izany ka any ambanivohitra no tena ambony ny taha-pitondrana ny aretina.
Ny Hépatite B sy C no mihombo ary mety hiafara amin’ny fahasarotana, ny 10 na 20 taona aty aoriana toy ny faharerahan’ny aty na « cirrhose du foie » ka lasa mafy be toy ny vato.
Ity hetsika ity dia dingana lehibe ho amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny Hépatite eto Madagasikara. Noho izao fanohanana misy izao dia hitombo be ny fahafahana manao fitiliana, ahafahana hanampy amin’ny fikarakarana ny marary sy manamafy ny amin’ny fisorohana ny fihanak’ity aretina ity.
Izao fanolorana ofisialy izao dia nitondra ny lohahevitra hoe : FOANANA NY TAMBERIM-PIFINDRAN’NY HEPATITA B ARY SITRANINA NY HEPATITA C.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 08-mai-2026