FAHASALAMAN'NY TANORA SY NY ZATOVO - FANDRAISANA IREO FAHITALAVITRA SY KOJAKOJA MIARAKA AMINY HO AN'IREO TOBIM-PAHASALAMANA SAKAIZAN'NY TANORA
Ambohidahy, Zoma 08 Mey 2026
“Ny fanovana ny fitondrantena ara-pahasalamana dia manomboka amin’ny tsirairay.”
Izany indrindra no antony hanamafisan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanentanana sy ny fanabeazana ara-pahasalamana sy ara-pananahana ho an’ny vahoaka, indrindra ny tanora, mba hahafantaran’izy ireo ny aretina mety hahazo azy, ny fomba hisorohana azy ary ny fiantraikan’izany amin’ny fiainany sy ny hoaviny.
Ny zava-misy manko dia firenena anisan'ny betsaka tanora sy zatovo i Madagasikara, ary misy amin'izy ireo miatrika olana maro, anisan'izany ny fahasalamana ara-pananahana, ny vohoka aloha loatra, ny fahasalamana ara-tsaina, ny herisetra, ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny maro hafa.
Tamin'ny alalan'ny TETIKASA TAFA1 – Ambina ho an’ny Fahasalamana Iombonana (PPSB), vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena, dia niara-nientana sy nanohana ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Dr. MANAGNA Monira amin'ny alalan'ny fanolorana fahitalavitra miisa 200 sy kojakoja miaraka aminy, toy ny kit solaire (panneaux solaires, convertisseurs, batteries, régulateurs de charge, accessoires fils 25 m), stabilisateurs ary flash disque misy horonan-tsary fanentanana maro samihafa.
Nanotrona ny fotoana Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. RANDRIANAMBININA Stephanson Ephraïm, niaraka tamin'ireo solontenan'ny mpiara-miombon'antoka sy ireo tompon'andraikitra avy ao amin'ny Minisitera.
Ireo fitaovana ireo dia halefa any amin'ny Tobim-pahasalamana sakaizan'ny tanora any amin'ny Faritra 8 (Menabe, Ihorombe, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, SOFIA, SAVA, Androy, Atsimo Andrefana) sy Distrika 30.
Tanjona napetraka ny hahafahan'ny zatovo sy tanora Malagasy tsirairay mahazo tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy mifanaraka amin'ny filàny, mba ahafahany mivoatra tsara sy mandray anjara feno amin'ny fampandrosoana ny Firenena.
Amin’ny alalan’ity tetikasa ity dia midina eny amin'ny fiarahamonina sy manakaiky ny vahoaka ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, manamafy ny fanentanana sy ny fanohanana ireo hetsika mikendry ny fanovana ny fitondran-tena. Satria ny fahalalana sy ny fahatsiarovan-tena no fototra iorenan’ny fahasalamam-bahoaka maharitra.
Fanohanana ny tanora dia midika fanohanana ny hoavin’ny Firenena, noho izy ireo herin’ny fanovàna sy antoky ny fandrosoana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 08-mai-2026