Fijerena ny maha-olona
Fandidiana fampisarahana ireo zazakely kambana miraikitra (siamois)

Alarobia 07 aogositra 2024 : Tontosa ary nahitana fahombiazana ny fandidiana fampisarahana ireo zazakely kambana miraikitra (siamois), Tahinjanahary sy Fanambinantsoa, tao amin'ny Hopitaly CHU-JRA Ampefiloha.
Ireo zazalahy telo volana sy tapany ireo moa dia avy any amin'ny Kaominina Atsimadilo, Distrika Arivonimamo. Noraisin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka an-tànana izy ireo nanomboka tamin'ny fahaterahany ka hatramin'ny izao fandidiana fampisarahana azy ireo izao.
Marihina fa tsy maintsy niandry azy ireo ho ampy lanja vao niroso tamin'ny fandidiana.
Ankasitrahana feno ireo mpitsabo rehetra niara-nisalahy nanantotosa izany. Mitohy hatrany kosa arak'izany ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso akaiky azy ireo.
08-août-2024
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...