HERINANDRO AFRIKANINA HO AN'NY FANAOVAM-BAKSINY
CSB II ANOSIPATRANA Zoma 25 APrily 2025
Ho fanamarihana ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny herinandro ho an'ny fanaovam-baksiny dia nanatanteraka fidinana ifotony Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Pr. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo sy ireo Fitaleavana tandrify izany.
Hetsika izay tafiditra ao anatin'ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana mikasika indrindra ny fanamafisana ny fisorohana ny aretina amin'ny alalanan’ny fanaovam-baksiny.
Nisy ny tafa sy fanentanana nifanaovan’Andriamatoa Ministra sy ireo renim-pianakaviana maromaro sy fanaovam-bakisiny ireo zaza mbola tsy nanao vaksiny.
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
SCM/DIRCOM 26-avril-2025