Fijerena ny maha-olona

MORAMANGA FARITRA ALAOTRA MANGORO: AKANY FIADANANTSOA FIJERENA MANOKANA NY FAHASALAMAN’NY ZOKIOLONA MIHOATRA NY 60 TAONA : FAHASALAMANA MANAKAIKY VAHOAKA

Alarobia 26 sy Alakamisy 27 martsa 2025

Ho fanamarihana ny fankalazana ny  Tolom-pahafahana nanoloran'ireo Maherifon'ny Firenena ny ainy tamin'ny hetsika 29 Martsa 1947 dia  tsy nandrarak'ilo mby andoha  fa nanolotra tolotra ara-pahasalamana marolafy maimaimpoana mamaly ny filan'izy ireo ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

 Nomena lanja manokana amin’izany ny fahasalamana sy fikarakarana ireo bekotro maro olatra

Ity hetsika sosialy ity dia ahitana : fizaham-pahasalamana amin'ny ankapobeny, fizahana maso sy fanomezana solomaso (Maimaimpoana) ,  fitsaboana nify sy fanomezana solonify (Maimaimpoana), fitiliana maro samihafa ary fanentanana sy torohevitra mahomby ara-pahasalamana.

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny ezaka lehibe ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny alàlan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanomezana fahasalamana tsara kalitao sy manaraka ny fenitra ho an’ny Vahoaka rehetra tsy ankanavaka

Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka.

SCM/DIRCOM 29-avril-2025

Zoom sur

Nos autres Activités