FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
Kianja CEG Ambohimangakely -Alatsinainy 07 Aprily 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana"
Nanolotra tolotra ara-pahasalamana marolafy sy maimaim-poana izay nentina nanamorana ny filan'ny Vahoaka ny amin’ny fisoroana sy fitsaboana ny Minisiteran'ny Fahasalam-bahoaka
Fizaham-pahasalamana ankapobeny, Fandrindràna Fiainam-pianakaviana,Fanomezana vakisiny, Fitiliana: homamiadana, VIH/Sida, tosidrà, diabeta, Fanaraha-maso ny fahasalaman’ny nify sy ati-vava, Fanaovana taratra sy fitarafana (Radio, Échographie), Fanentanana maro amin'ny areti-mfindra, Fanarahamaso ny tsifanjariantsakafo, Fizahana maso, Fanaovana mammographie maimaim-poana tao amin’ny CHU Andohotapenaka, Fanomezan-drà ary fanafody maimaimpoana.
Nomen-danja manokana tamin’ity hetsika ity ny fahasalaman’ny vehivavy, indrindra fa ireo vehivavy bevohoka, ny reny, ary ny zaza , araka ny vina sy tanjon’ny lohahevitra amin’ity taona ity.
Ny fahasalamam-bahoaka no andry iankinan’ny ho avin’ny Firenena.
#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka
#AndroManerantanyHoAnNyFahasalamana2025
07-avril-2025