FANAMAFISANA ARA-DIPLAOMATIKA EO AMIN’NY MADAGASIKARA SY FRANTSA HO FANATSARANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Nitsidika an-dRamatoa Minisitra, Dr. MANAGNA Monira, ny delegasiona Frantsay notarihin’Andriamatoa Ambasadaoron’ny Repoblikan'i Frantsa, SEM. Arnaud Guillois.
Nandritra izany fihaonana izany dia nodinihina ireo paikady sy fomba fiasa hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta, indrindra amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka, ka hahafahana manatsara ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara.
Nohamafisina ihany koa ny fahavononan’i Madagasikara sy i Frantsa hanohy sy hanamafy ny fiaraha-miasa, ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy sy ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 11-mai-2026