MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA MIAHY SY MANDRAY AN-TANANA IREO TRA-DOZA AN-DRANOMASINA

Nisy tranga nampalahelo nitranga tao Morondava, Faritra Menabe ny alahady 10 Mey 2026. Mpianatra efatra avy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, sampana Sosiolojia, izay nanao “voyage d’étude”, no tra-doza nandritra ny filomanosana teo amin’ny amorontsiraky ny Kimony.

Tovolahy iray 24 taona no namoy ny ainy na dia efa niezaka namelona azy aza ny mpiasan’ny fahasalamana. Ireo namany telo kosa dia mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny CHRR Morondava Namahora, ary misy tovovavy roa hafa koa nampidirina hopitaly noho ny hatairana.

Noraisina an-tanana avy hatrany sy maimaimpoana avokoa ireo marary rehetra. Tonga teny amin’ny hopitaly ihany koa ireo manampahefana tao an-toerana, notarihin’ny Minisitrin'ny Tontolo Iainana sy ny Talem-Paritry ny Fahasalamam-bahoaka Menabe, nanohana sy nijery akaiky ny zava-misy.

Efa nokarakaraina ny fandefasana ny nofo mangatsiakan’ilay nodimandry aty Antananarivo, raha mbola arahina akaiky eny amin’ny hopitaly kosa ireo namany.

 

Ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira dia miara-ory amin'ny fianakaviana manam-pahoriana ary mankahery ireo manaraka fitsaboana.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP MENABE - COMM. 11-mai-2026