FITSIDIHANA HO FANKAHEREZANA IREO MANARAKA FITSABOANA NOHON'NY

CHU-JRA – FARITRA ANALAMANGA – ANTANANARIVO

Manoloana ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo “Toxi-infection Alimentaire Collective - TIAC” niseho teto an-drenivohitra tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo iny, dia tonga nitsidika ireo marary izay mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny CHU-JRA ny alatsinainy 11 Mey, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, niaraka tamin’ireo Tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisitera.

Nandritra izany fitsidihana izany no nanomezana fanohanana sy fankaherezana ireo marary, ary nijerena akaiky ny fizotran’ny fitsaboana ataon’ireo mpitsabo sy ny ekipan’ny Hôpitaly.

Raha tsiahivina, dia “gargote” iray eto Antananarivo, mpivarotra sakafo masaka na “composé”, no ahiahiana ho niteraka ity tranga fahapoizinana ara-tsakafo ity. Toerana efa mahazatra ny mponina manodidina izy io, saingy nisy ireo olona nihinana tamin’io toerana io ny zoma, ka ny sabotsy lasa teo no nahitana soritr’aretina tsy fahita firy.

Efa mizotra tsara ny amin'ny fitsirihana sy fitiliana ary fikarohana ataon'ny sampan-draharaha misahana voakasik'ity tranga ara-pahasalamana ity.

Mbola misy amin'ireo marary no manaraka fitsaboana sy arahi-maso akaiky ao amin’ny CHU-JRA, misy kosa anefa ireo efa nody sy sitrana soa aman-tsara.

Manamafy ny fanentanana isika hoe : Aoka isika ho mailo hatrany amin’ny fahadiovan’ny sakafo hohanina sy ny toeram-pivarotana, satria ny sakafo madio no fototry ny fahasalamana.

Tsy azo atao ambanin-javatra ny fiarovana ara-tsakafo, fa ny fahadisoana kely tsy ambina dia mety hiteraka voka-dratsy sy loza lehibe ho an’ny Fahasalamam-bahoaka.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 12-mai-2026