LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TAO FIANARANTSOA – FANDRAISANA ANDRAIKITRA ARA-PAHASALAMANA

Nitrangana lozam-pifamoivoizana androany maraina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany teo, ny fiara mpitatitra iray "bus" zotra 40 teny amin’ny fidinana Ivory, tao Fianarantsoa an-tampon-tanana.

Tsy nisy moa ny aina nafoy, saingy maro ireo naratra ka nentina haingana tao amin’ny CHU Tambohobe Fianarantsoa hanaraka fitsaboana "soins d'urgence".

Nandray andraikitra avy hatrany ny mpiasan'ny fahasalamana tao amin’ny Hôpitaly, ary nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fikarakarana sy fitsaboana ireo nieren-doza izy ireo. Naneho fahavononana sy finiavana ny mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana tamin’ny fiatrehana ity loza ity ary hita taratra fa vonona hatrany hiaro ny fahasalaman’ny vahoaka.

Efa noraisin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka an-tanana tanteraka ny fitsaboana ireo naratra rehetra mandra-pivoakan'izy ireo ny Hôpitaly.

 

Mirary fahasitranana feno ho an'ireo mbola manaraka fitsaboana ao amin'ny Hôpitaly ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary: DRSP HAUTE MATSIATRA COMM - CHU TAMBOHOBE 12-mai-2026