FANATSARANA NY COUSP
Nanomboka ny androny 11 Mey tao amin'ny Motel Anosy ary haharitra efatra andro ny atrik’asa natokana hamolavolana ireo antontan-taratasy fototra ho an’ny Centre d’Opérations d’Urgence de Santé Publique (COUSP) eto Madagasikara.
Mandritra ity atrik’asa ity no handrindrana sy hamolavolana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fampandehanana ny COUSP, mba hahazoana rafitra mazava sy mirindra ary hanatsarana ny fomba fandraisana andraikitra manoloana ireo hamehana ara-pahasalamana.
Tanjona ny hanamafisana ny fandrindrana sy ny fahafaha-mamaly haingana ireo tranga vonjy taitra ara-pahasalamana, mifanaraka amin’ny fepetra napetraky ny Règlement Sanitaire International (RSI).
Nosokafan’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana, Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, izay nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nanatrika sy nandray anjara tamin’izany ihany koa ireo tompon’andraikitra sy mpiara-miombon’antoka avy amin’ny sehatra samihafa, ho fanamafisana ny fahavononan’i Madagasikara hiatrika ireo loza sy hamehana ara-pahasalamana mety hitranga.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 12-mai-2026