FANDRAISANA AN-TANANA HAINGANA AVY AMIN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
FARITRA MENABE - MAHABO
Nahitana tranga fanapoizinana ara-tsakafo, ny omaly 11 mey tao amin’ny Distrikan’i Mahabo.
Nisy fianakaviana iray miisa 11 voaray sy notsaboina tao amin’ny CHRD Mahabo noho ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo.
Tokony ho adiny dimy taorian’ny nihinanan’izy ireo “spaghetti sy sardine” nokarakaraina tao an-trano no nanomboka niseho ny soritr’aretina.
Dimy tamin’ireo marary no voatery notazomina teny anivon’ny Hôpitaly noho ny filàna fanaraha-maso akaiky. Amin'ny fandraisana an-tanana haingana sy ny fikarakarana nataon’ny mpiasan’ny fahasalamana tao amin’ny CHRD Mahabo dia hita fa nihatsara ny toe-pahasalaman’ireo marary ireo.
Amin’izao fotoana izao dia olona iray sisa no mbola tazonina ao amin’ny Hôpitaly noho ny faharerahana, saingy tsy misy ahiana kosa ny ainy fa sainy mila arahi-maso akaiky.
Manentana hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an'ny rehetra ny amin’ny fanajana ny fahadiovana sy ny fitahirizana tsara sy ara-pahasalamana ireo sakafo ho fisorohana ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo tahak'izao.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP MENABE - COMM. 12-mai-2026