FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY INFIRMIERA TAO AMIN’NY FARITRA ANDROY - AMBOVOMBE

Notanterahina tamim-pahombiazana tao amin’ny Faritra Androy ny fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny Infirimiera, izay marihina isaky ny 12 Mey. Tao amin’ireto Distrika ireto (Ampanihy, Tsihombe ary Ambovombe) Androy no nanatanterahana ireo hetsika samihafa ho fanomezam-boninahitra ny asa sy ny fanoloran-tenan’ireo infirimiera eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka.

Ny lohahevitra navohitra nandritra ity fankalazana ity dia "Le Pouvoir d'agir des infirmièr(e)s sauve des vies", nisy arak’izany ireo hetsika ara-pahasalamana natolotra maimaimpoana ho an’ny vahoaka, ahitana ny fitiliana diabeta, sifilisy, VIH/SIDA, ny échographie, ary koa ny famorana faobe. Tanjona tamin’izany ny fanatsarana ny fahasalaman’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny fisorohana ny aretina.

Ho an’ny tao Ambovombe Androy manokana dia nisongadina ny fanatanterahana fiofanana “Renforcement des acquis” ho fanamafisana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo infirimiera, ary nitohy tamin’ny “Nuit des Infirmiers” ny fandaharam-potoana tamin’ny andro voalohany, fotoana iray nanehoana firaisankina sy fifampizarana teo amin’ireo mpisehatra ara-pahasalamana.

Ny 12 Mey kosa dia nanamarika ny ivon’ny fankalazana, ka nosokafana tamin’ny famorana faobe ny hetsika, narahin’ny carnaval sy ny lanonana ofisialy natrehan’ireo manampahefana isan-tsokajiny tao an-toerana. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo tao anatin’ny firaisankina sy fihavanana ny fotoana.

 

Izao hetsika izao dia maneho ny ezaka mitohy ataon’ny mpisehatra ara-pahasalamana amin’ny fanakaikezana ny vahoaka sy ny fanamafisana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny rehetra.

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : CONIM 13-mai-2026