MITOHY NY FANAOVANAZA HO AN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Manakaiky hatrany ny vahoaka ny tolotra ara-pahasalamana manaraka ny fenitra. Mitohy ny fametrahana ireo fitaovana ara-pitsaboana vaovao eny anivon’ireo hopitalim-panjakana, eo ambany fitarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira, sy ireo mpiara-miasa aminy.

Anisan’ny nisitraka izany fanavaozana izany ny CHRD II Midongy Atsimo, izay nisitraka sy nametrahana ny “table opératoire” vaovao, natao hanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana ary hanamafisana ny fikarakarana ireo marary mila fandidiana eny ifotony.

Dingana iray lehibe hanatsarana hatrany ny fitsaboana eny amin’ny Faritra sy hanomezana tolotra ara-pahasalamana mendrika ho an’ny isam-batan’olona.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP ATSIMO ATSINANANA - CHRD II MIDONGY ATSIMO 13-mai-2026