PROFESS tao Toliara : DINGANA VAOVAO HANAMAFISANA NY ADY AMIN’NY TB SY VIH/SIDA

Notanterahina ny 12 sy 13 mey 2026 tao Toliara ny atrikasa fanombohana ny tetikasa “PROFESS”, fomba fiasa vaovao mikendry ny hanatsara ny fomba fiasan’ireo Agents Communautaires (AC) miady amin’ny tiberkilaozy (TB) sy VIH eny anivon’ny fiaraha-monina.

Miainga avy amin’ny fikarohana teny ifotony ny fomba “PROFESS” ary manamafy fa ireo AC no fototra iankinan’ny fanamafisana ny fahasalamam-bahoaka, noho izy ireo akaiky indrindra amin’ny vahoaka.

Ny tetikasa dia mikendry ny hanamafy ny fandrindrana sy ny fiaraha-miasa amin’ny ambaratonga rehetra, hanatsara ny fiofanana sy ny fanaraha-maso ireo AC, hanohana ny fepetra iasan’izy ireo eny ifotony ary hametraka rafitra maharitra sy mirindra ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanohanana ny drafitra fanatanterahana ny asa eny anivon’ny Distrika.

Ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-mientan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa misahana ny ady amin’ny Tiberkilaozy, ny VIH/SIDA, DSSB, DRS Atsimo Andrefana, ireo ekipa ara-pahasalamana eny anivon’ny Faritra sy Distrika, ary ny ONG Doctors for Madagascar miaraka amin’ny Charité – Universitätsmedizin Berlin.

Amin’ny alalan’ny PROFESS dia ampifandraisina ny asa eny ifotony sy ny fikarohana ara-tsiantifika, mba hahafahana manatsara hatrany ny rafitra fanohanana ireo Mpanentana ara-pahasalamana sy mampahomby kokoa ny ady atao amin’ny TB sy VIH eto Madagasikara.

 

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DSSB - DFM 15-mai-2026