FOTODRAFITRASA : NIAMPY IRAY INDRAY NY HOPITALY AFÀKA MITSABO VAHOAKA ENY AMIN’NY DISTRIKAN’AMBODIRATRIMO

Misokatra amin’ny fiaraha-miasa afaka mitondra fiovana sy fanavaozana eto amin’ny Firenena ny fitondram-panjakana ankehitriny; mijery ny sosialim-bahoaka sy ny laharam-pahamehana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.

Ny “tao-trano tsy hefa irery”. Misokatra ary manohana ireo foto-drafitrasa sy tetikasa hita fa mitondra vokatra mivantana ho an’ny vahoaka ny Fitondram-panjakana. Ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia lalan-tsaina ifantohana ny hahazoan’ny isam-batan’olona fisitrahana tolotra ara-pahasalamana sahaza sy ara-kalitao.

Voaporofo tanteraka teo anatrehan’ny vahoakan’ny Kaominina Mahabo ny vokatrin’ny fiaraha-miasa sy fisokafana amin’ny rehetra satria nahazo fankatoavana tamin’ny Fitondram-panjakana, izay tarihan’ny Kolonely RANDRIANIRIANA Mickaël ny Hopitaly Bethesda, ka tonga nanome voninahitra ny fitokanana izany tamin’ny fomba ofisialy ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, Kolonely Gervais ANDRIAMIARISOA androany.

Miasa miaraka isika, hanasitrana ny Firenena hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, raha ny lahateniny nandritra ny fitokanana ny Hopitaly Bethesda.

Ny Hopitaly Bethesda izay tsy miankina amin’ny fanjakana dia hanampy sy hanatevin-daharana ny tobim-pahasalamana ao amin’ny Kaominina Mahabo sy ny hopitalim-panjakana eny amin’ny Distrikan’i Ambohidratrimo.

Toerana ambanivohitra no misy ity hôpitaly ity saingy afaka mamaly ny filàn’ny vahoaka sy ny manodidina azy ny fitsaboana omeny satria hita ao avokoa ireo tolotra ara-pahasalamana izay fahita eny amin’ny hopitaly an-drenivohitra.

Vy nahitana sy angady nananana izao foto-drafitrasa mahaleotena izao ny Governemanta Koreanina, ka ny “aumônier Bethesda” avy ao amin’ny Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara no hiandraikitra ny fampandehanan-draharaha ao amin’ity hopitaly vaovao ity, izay eo ambany fanarahamason’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 16-mai-2026