FANOLORANA FANAMPIANA HO AN’IREO TOBIM-PAHASALAMANA VOAKASIKY NY RIVODOZA GEZANI TAO AMIN’NY FARITRA ATSINANANA

Notanterahina androany tao amin’ny DRSP Atsinanana – Hopitaly Kely, ny fanolorana fanampiana avy amin’ny BNGRC ho an’ireo tobim-pahasalamana voakasiky ny rivodoza Gezani tao amin’ny Distrikan’i Toamasina I sy Toamasina II.

Nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira tamin’izany ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, sy ny Mpanolotsaina manokan-dRamatoa Minisitra, ny solontenan’ny Faritra Atsinanana, ny BNGRC, ny solontenan’ny DRSP Atsinanana, ary ireo solontenan’ny mpiasan’ny fahasalamana tao Atsinanana.

Ahitana vary sy voamaina, sira, savony, biscuits, fitaovana fanadiovana rano fisotro, siny misy robinet, kidoro fatoriana, lamba firakofana ary sakafo isan-karazany ireo fanomezana natolotra, ho fanohanana ireo tobim-pahasalamana niheren-doza tamin’iny rivodoza iny.

 

Izao hetsika izao dia maneho ny firaisankina sy ny fiaraha-mientan’ireo rafitra isan-tsokajiny amin’ny fanohanana ny sehatry ny fahasalamana sy ny vahoaka marefo, mba hahafahana manohy ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka.

Ny Fitaleavana ny Serasera. sary : DRSP ATSINANANA - COMM 16-mai-2026