MIROSO TSARA NY ASA FANARENANA AO AMIN’NY CHU ANALAKINININA SY MORAFENO ARY NITSIDIKA NY IFIRP TOAMASINA
Tao amin’ny CHU Analakininina, hita fa miroso tsara ny asa fanarenana ireo fotodrafitrasa, tsapa ihany koa fa mandeha ny sampan-draharaha rehetra ao aminy, araka ny fitsidihana nataon’ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka foibe.
Nizotra tao amin’ny IFIRP sy CHU Morafeno Toamasina ihany koa ny delegasiona notarihin’Andriamatoa Talen’ny Kabinetra, ny Mpanolotsaina manokan-dRamatoa Minisitra, ny Talen’ny CHU Morafeno, ny solontenan’ny DRS Atsinanana, ny Médecin Inspecteur an’i Toamasina I ary ny solontenan’ny Faritra Atsinanana. Hita taratra fa mizotra tsara ny asa fanarenana ireo simba rehetra, tafiditra ao anatin’izany ny fandehanan’ny sampan-draharaha fanaovana “Scanner” sy “radiographie”, izay efa miasa tsara amin’izao fotoana izao ary ho vita tsy ho ela ihany koa ireo asa fanamboarana rehetra ao aminy.
Marihina fa natao ho laharam-pahamehana ireo asa fanarenana rehetra notanterahina ao amin’ny hôpitaly, mba hahafahana manarina ny simba sy manatsara hatrany ny fandraisana ary ny fikarakarana ireo marary.
Mankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka rehetra toy ny OMS, Banky Iraisam-pirenena, Mercy Ships, SPAT, UNICEF, MDM, FITEFA, MCGL JHPIEGO, MSF, MICTSL, IMM amin’ny fiaraha-mientana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny Faritra Atsinanana sy ny manodidina.
Ny Fitaleavana ny Serasera. sary :DRSP ATSINANANA - COMM 17-mai-2026