AKOM-BAOVAO AVY ANY AMIN’NY FARITRA ATSINANANA HO AN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Soa lavo hahay hamindra, soa kenda hahay hitsako
Ny fandresena lehibe indrindra dia ny fahaizana miharina rehefa lavo, ny fahaizana mijoro rehefa potraka. Mafy tokoa izany hoe vao vita orina sy notokanana tam-pomba ofisialy, andro vitsy monja taorian’izay dia potika, rava, nataon-dRaGezany nahalala ny anarany ary nahita ny masony.
Kivy, very fanahy mbola velona isika rehetra, foana ilay fanantenana nitsiry.
Ndao hiarina, Ndao hitsangana, Ndao hifanome tanana fa tsy atao hahakivy fa lalam-piainana daholo izany hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira nanainga ireo mpiara-miasa rehetra sy ireo mpiara-miombon’antoka, mba tsy hilavo lefona.
Ankehitriny, manomboka taratra indray ilay masoandro, manomboka mitsiry indray ilay fanantenana satria dia mizotra sy mandroso tsara ny asa fanarenana sy ny fanorenana ny biraom-paritry ny ACSSQDA, ny CHU Analakininina, ny ivon-toeram-piofanana IFIRP. Eo ihany koa ny fanolorana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo CSB ao Toamasina I sy II.
Mankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka rehetra toy ny OMS, Banky Iraisam-pirenena, Mercy Ships, SPAT, UNICEF, MDM, FITEFA, MCGL JHPIEGO, MSF, MICTSL, IMM amin’ny fiaraha-mientana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny Faritra Atsinanana sy ny manodidina.
Ny Fitaleavana ny Serasera 17-mai-2026