LANONANA FANOLORANA MARI-PANKASITRAHANA HO AN’IREO MPISEHATRA AMIN’NY HAINO VAKY JERY NANDRESY NANDRITRAN’NY FIFANINANANA ASA FANAOVAN-GAZETY MIOMPANA AMIN’NY VAKSINY
Tontosa tamin’ny zoma 15 Mey ny lanonana ofisialy fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpandresy tamin’ireo sokajy samihafa, ahitana ny onjam-peo, fahitalavitra, gazety an-tsoratra ary ny gazety ana habaka.
Nahazo ny voalohany teo amin’ny onjam-peo, Ramatoa AMIKO Philiberte, Radio ANTSIVABE Morondava, ny teo amin’ny fahitalavitra, Andriamatoa Michael RAMAROLAHY, IBC TV/FM, ny gazety an-tsoratra kosa dia Ramatoa Miangaly RALITERA, Express de Madagascar ary ny gazety ana habaka, Andriamatoa RAKOTOMIARINTSOA Nirina Lalao Claude, Délire Madagascar.
Hetsika izay natao hanomezan-danja ny ezaka ataon’ireo mpanao gazety amin’ny fanamafisana ny fampahafantarana sy fanentanana mahakasika ny maha zava-dehibe ny fanaovam-baksiny ho fiarovana ny fahasalaman’ny zaza sy ny ady amin’ny tsaho miparitaka mahakasika ny vaksiny izay miteraka sakana ho an’ireo ray aman-dreny.
Nanamarika ny lanonana ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana avy amin’ny UNICEF ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny vaksiny sy ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina.
Niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izao hetsika izao ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina ary ny UNICEF.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. RANDRIANAMBININA Ephraïm Stéphanson.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 17-mai-2026