Akon’ny fivoriam-ben’ny fahasalamana any Genève - 17 MAY 2026

Nanatrika ny fivorian’ny « Comité Ministériel Africain de haut niveau » momba ny fanavaozana ny rafitra maneran-tany momba ny fahasalamana ny delegasiona Malagasy izay tarihin’dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira. Natao tany Genève tamin’ny 17 Mey 2026.

Ny tanjona dia hametrahana ny fiandrianam-pirenena matanjaka sy maharitra eo amin’ny kaontinanta Afrikanina. Ny Firenena Afrikanina sy ny rafitra isam-paritra no mitarika ny laharam-pahamehana ara-pahasalamana fa tsy voafaritra avy any ivelany. Nohamafisina ihany koa ny filàna famatsiam-bola maharitra sy azo vinavinaina, miala amin’ny fiankinana tafahoatra amin’ny fanampiana ivelany, amin’ny alalan’ny fomba vaovao toy ny hetra natokana ho an’ny fahasalamana, ny fampandraisana anjara ny diaspora.

Nampifandray ny fanavaozana ho amin’ny Fahasalamana ho an’ny daholobe, na Couverture Sanitaire Universelle ny fivoriana, mba hiantohana fa mahazo tolotra ara-pahasalamana fototra ny mponina marefo sy lavitra ny tolotra. Nifantoka ihany koa ny dinika tamin’ny fandrindrana sy fampirindrana ny asan’ireo sehatra sy fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana, mba hampihenana ny fitovian’asa sy ny vesatra ara-pitantanana ho an’ny Firenena Afrikanina.

Fandraisana andraikitra sy lanja stratejika ho an’i Madagasikara, ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara, ity fivoriana ity dia manome sehatra ho an’i Madagasikara mba hiaro sy hampiroborobo ny laharam-pahamehana nasionaly amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Firenena ny politikam-pahasalamana sy ny fandrindrana ireo mpiara-miombon’antoka.

Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fanohanana ny famatsiam-bola anatiny sy maharitra ho an’ny fahasalamana, indrindra amin’ny fitadiavana vahaolana vaovao hanamafisana ny fahaleovantena ara-bola sy hampihenana ny fiankinana amin’ny famatsiam-bola ivelany miovaova.

Manamafy hatrany ny fitondram-panjakana ny fahasalamana ho an’ny daholobe sy ny « soins de santé primaires », mba ahafahan’ny mponina rehetra, indrindra ny vehivavy, ny ankizy ary ireo vahoaka marefo, mahazo tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao.

Ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ity rafitra ity dia manamafy ny toerany ao anatin’ny firaisankina Afrikanina, mampitombo ny fahafahany miditra amin’ny fiaraha-miasa stratejika sy famatsiam-bola mifanaraka amin’ny filàna nasionaly, ary manampy amin’ny fananganana rafitra ara-pahasalamana matanjaka, mahaleo tena ary maharitra ho an’ny taranaka ho avy.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera. 17-mai-2026