FANAMAFISANA NY ADY ATAO AMIN'NY MPOX - HETSIKA FANAOVAM-BAKSINY FAOBE MAIMAIMPOANA

FARITRA ATSIMO ATSINANANA – DISTRIKAN’I FARAFANGANA

Sokajiana ho olona mila fiarovana ara-pahasalamana ireo voafonja, ka nanatanteraka fanaovana vaksiny faobe tao amin’ny fonjaben’i Farafangana ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana sy ny fitantanana ny fonja ho hetsika fisorohana sy fiarovana azy ireo amin’ny aretina MPOX.

Nandritra izany hetsika izany dia maro izy ireo no nahazo sy nahavita ny vaksiny, ho fanamafisana ny fiarovana ara-pahasalamana ao anivon’ny fonja sy hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.

 

Ity hetsika ity dia manamafy ny ezaka mitohy ataon’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fiarovana ny vondron’olona marefo sy ny ady amin’ny areti-mifindra.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP ATSIMO ATSINANANA - COMM. 18-mai-2026