FITSABOANA NY ARETINA MAMANY LAVA : MAMERINA NY FAHAMENDREHANA SY NY FANANTENAN’IREO VEHIVAVY

Antsohihy – Faritra SOFIA

Rehefa salama ny vatana sy ny saina dia mivelatra ny hery sy ny fahafahana, ary tsy misy fetra intsony ny zavatra azo tratrarina. Indrindra ho an’ny reny sy ny vehivavy, fototry ny filaminana ao an-tokantrano sy ny fiaraha-monina, ka tokony ho tohanana sy tsaboina amim-pitiavana.

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatonana akaiky ny vahoaka sy ny fitsinjovana ireo tena mila fitsaboana. Tsy mitazam-potsiny amin’ireo aretina heverina ho tsy mahafaty ny Minisitera, fa tena midina an-tsehatra sy miezaka mitsabo ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka, tsy misy fanavahana, mba hahazoan’ny tsirairay fitsaboana mendrika sy fanohanana sahaza.

Notanterahina tao amin’ny CHRR Antsohihy nandritra ny roa andro ny fandidiana ho fitsaboana ireo vehivavy tratran’ny mamany lava na FVV (Fistule Vésico-Vaginale), nanomboka ny 18 Mey 2026. Nandritra izany hetsika izany dia nisy ny fitsidihana ara-panajana an’i Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka, nataon’ireo ekipa mpandidy tonga hanatanteraka ity asa fitsaboana manokana ity.

Ny FVV dia aretina iray tsy vitan’ny hoe mampijaly ara-batana fotsiny, fa mety hiteraka fahoriana sy fahamenarana lalina eo amin’ny lafiny ara-tsaina ihany koa. Indraindray aza dia mahatonga ireo vehivavy tratran’izany hitokana sy tsy sahy mivoaka ny trano, noho ny fahamenarana sy ny tahotra ny fijerin’ny fiaraha-monina.

Amin’ny alalan’izao fandidiana izao anefa dia tsy ny aretina ihany no voatsabo, fa miverina ihany koa ny fahamendrehana, ny fahatokisan-tena ary ny maha-olona an’ireo vehivavy marary. Manome fanantenana vaovao izany, mba hahafahan’izy ireo miverina miaina amim-pahatokiana sy mandray anjara indray eo anivon’ny fiaraha-monina.

 

Fahasalamana ho an’ny rehetra, fanantenana ho an’ny tsirairay.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 
 

Ny Fitaleavana ny Serasera.DRSP SOFIA - COMM. 19-mai-2026