VARAVARANA MISOKATRA ITAOSY CHRD : HERINANDRO HO AN’NY TSY FIFOHANA SIGARA

Ho fanamarihana ny Herinandro ho an’ny Tsy Fifohana Sigara, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny OFNALAT, dia manatanteraka varavarana misokatra ny 19 Mey 2026.

Tanjona amin’ity hetsika ity ny hampahafantarana ny vahoaka fa efa misy toerana handraisana sy hanohanana ireo olona miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina. Ankoatra izany, misy torohevitra sy fandraisana an-tànana maimaimpoana mandritra ity andro ity.

Maimaimpoana ny tolotra ara-pahasalamana hita tao toy ny fanomezana torohevitra sy fandraisana an-tanana ireo mpisotro toaka sy mpifoka sigara. Nisy ihany koa ny “consultation”, fanomezana fanafody ary torohevitra momba ny fomba fiaina manampy amin’ny fialana amin’ny sigara ho an’ireo vonona hiala amin’izany.

 

Ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina dia loza lehibe ho an’ny fahasalamana, ary manao ezaka tsy an-kijanona ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny ady amin’izany

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 
 

Ny Fitaleavana ny Serasera 19-mai-2026