FIFANDRAISANA ARA-DIPLOMATIKA HO AN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA : MADAGASIKARA SY SÉNÉGAL

Fanoitra iray amin’ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana ny fifandraisana sy fifanakalozana eo amin’ny Firenena roa tonta, sehatra ahafahana mizara traikefa sy mametraka ireo laharam-pahamehana ho an’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka.

Nisy arak’izany ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’Andriamatoa SEM Ambasadaoron’i Sénégal tamin’Andriamatoa Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Christian RABESON, notronin’ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Minisitera.

Niompana indrindra tamin’ny fiaraha-midiniky ny tetikasa “digitalisation” eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny dinika, ary hisy ny fivoriana ara-teknika ho tohin’izao fihaonana izao.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 19-mai-2026