FIVORIANA HO FANKATOAVANA ARA-TEKNIKA NY

Miroso hatrany amin’ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary tanjona mazava no ho tratrarina amin'izao hetsika stratejika mahakasika ny tontolon’ny asa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana izao.

Fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana.
Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana.
Fampandrosoana ny fampiofanana ara-pahasalamana.
Fanamafisana ny fisitrahan’ny rehetra fitsaboana.

Maro ny mpisehatra niaraka tamin'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, anisany nandray anjara tamin’izany ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan'asa, sy ny Asam-panjakana, ny OMS, ireo Lehiben’ny Hôpitaly sy tobim-pahasalamana, ny ivon-toeram-piofanana ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny.

Ho hatsaraina arak’izany ny fitantanana ny mpiasa misehatra eo anivon’ny fahasalamam-bahoaka sy ho fandrindrana stratejika ny fampiasam-bola, sy ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’izy ireo, ary ny fanamafisana ny tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny rehetra.

Tonga nanome voninahitra sy nandray anjara tamin'ity hetsika ity, Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. RANDRIANAMBININA Ephraïm Stephanson.

Miara-miasa ho an’ny rafitra ara-pahasalamana matanjaka sy mahomby ny vina napetraka.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera 20-mai-2026