Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

ADY AMIN’NY VALANARETINA : HISITRAKA FAMPIOFANANA IREO « EPIDEMIOLOGISTE DE TERRAIN »

Laharam-pahamehan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara. Voakasik’izany ny fanamafisana ny traikefa sy fahaiza manaon’ireo mpiantsehatra rehetra anatin’izany.

Ho fanatsarana ny fanarahamason'ireo valanaretina dia nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany 26 Aogositra 2024, ny fiofanana ho an'ireo "épidémiologiste de terrain" na ireo olona andeha hiantsehatra ifotony mandritran'ny fotoanan'ny valanaretina. Andiany faha-4 sahady izao fampiofanana izao, ary ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY no nanokatra izany.

Tanjona amin'ity fiofanana ity ny hampitombo ny fahaiza-manaon'ireo mpisehatra amin'ny vanim-potoana ny valanaretina isaky ny ny distrika. 

 Hivoaka afaka telo volana ireto mpiofana ireto ary avy hatrany dia hisehatra eny amin'ny distrika misy azy avy.

#Eo anilanao hatrany ny Ministera ny fahasalam-bahoaka

26-août-2024

Zoom sur

Nos autres Activités