FANATSARANA NY FAHASALAMAN'NY ANKIZY SY NY ZATOVO
Mbola mipetraka ho olana ara-pahasalamana lehibe ny herisetra ara-nofo mahazo ny ankizy. Araka ny tatitra nataon’ny Together for Girls sy ny mpiara-miombon’antoka aminy dia mihoatra ny 300 tapitrisa ny ankizy tratran’ny herisetra isan-taona.
Ny herisetra mianjady amin'ny ankizy dia manimba ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny hoavin’ny Firenena.
Ho an’i Madagasikara, ny fandraisana anjara tamin’ity hetsika ity dia nahafahana nifampidinika mahakasika ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny Together for Girls ahafahana mampiely ny angon-drakitry ny firenena eo amin’ny sehatra nasionaly sy isam-paritra.
Manamafy ny fahavononany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fiarovana ny zaza, ny fahasalaman’ny zatovo ary ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy, sady manamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy.
Ny Fitaleavana ny Serasera 20-mai-2026