Fankalazana ny faha – zato taona ny Centre Hospitalier Universitaire Joseph RASETA Befelatanana
Ny 19 mey 2026 teo ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha – zato taona ny Centre Hospitalier Universitaire Joseph RASETA Befelatanana.
Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nentina nanombohana ny fankalazana niarahana tamin’ny mpiara miasa notarihan’ny Talen’ ny Hôpitaly, izay notronin' Andriamatoa Sekretera Jeneraly ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, hita ihany koa ireo Talen’ny CHU teto Antananarivo, ny mpikambana ao amin'ny "Conseil d’Administration", ny "ordres professionnels de santé" ary ireo mpiara-miasa amin’ny Hôpitaly.
Taorian’ny fotoam-pivavahana dia nisy ny fitokanana ny tsangam-baton'ny faha-zato taona izay notarihin’Andriamatoa Sekretera Jeneraly Dr. RANDRIANAMBININA Ephraïm Stephanson ary nofaranana tamin’ny fiarahana miala hetaheta ny hetsika.
Hitohy amin’ny varavarana misokatra ny 4 sy 5 jona 2026 ho avy izao ny fankalazana. Ho hita mandritra izany ny fitiliana sy fitsaboana maimaimpoana isaky ny « spécialité » misy ao amin’ny Hôpitaly : fahatapahan’ny lalandrà sy ny areti-tsaina, tosi-drà, tratra, areti-miindra, areti-koditra, diabeta, voa, fo, vavony, aty, ny aretin-jaza.
Ny volana jolay dia hisy ny « déjeuner dansant » ho fanohizana ny fankalazana. Hisy ihany koa ny hetsika ara-panatanjahantena mba ho fampiraisam-pon' ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Hôpitaly sy ireo Hôpitaly rahavavy eto Antananarivo.
Ny volana septambra dia hisy ny fitsangatsangana hiarahana amin’ny mpiasa rehetra.
Vina ihany koa ny fanatsarana ny loko sy ny trano ao amin’ny « Accueil Triage Urgence Réanimation » (ATUR) mba ho tsangambato mivaingana ny amin’izao fankalazana izao.
Ny Fitaleavana ny Serasera 21-mai-2026